2 Corinthians 11

1Maniry aho mba ahafahanareo mamela ahy hanao fahadalana kely sasany. Fa tena mamela ahy tokoa ianareo! 2Fa saro-piaro ny momba anareo aho. Manana fahasarotam-piaro araka an’Andriamanitra aminareo aho, hatramin’ny nanomezako toky anareo tao amin’ny fanambadiana ho an’ny vady iray ihany. Nanome toky aho ny hanolotra anareo tahaka ny virjiny madio ho an’i Kristy.

3Fa matahotra aho fandrao, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny alalan’ny hafetseny, ny eritreritrareo dia mety hiala amin’ny fanoloran-tena amin-kitsim-po sy madio amin’i Kristy. 4Fa eritrereto hoe misy olona iray tonga hitory Jesosy hafa noho ilay iray toriantsika. Na eritrereto hoe mandray Fanahy hafa noho izay raisinareo ianareo. Na eritrereto hoe mandray filazantsara hafa noho ilay iray izay noraisinareo ianareo. Mamela ireny zavatra ireny tsara ihany ianareo!

5Satria mieritreritra aho fa tsy farany ambany noho ireo lazaina fa hoe apostoly ambony. 6Fa na dia tsy nizarana nandaha-teny aza aho, dia nizarana tamin’ny fahalalana. Tamin’ny fomba rehetra sy tamin’ireo zavatra rehetra dia nataonay ho fantatrareo izany.

7Moa nanota va aho tamin’ny fanetren-tenako mba hisandratanareo? Fa nitory ny filazantsaran’ Andriamanitra maimaimpoana ho anareo aho. 8Nandroba ireo fiangonana hafa aho tamin’ny alalan’ny fanekena fanohanana avy amin’izy ireo mba ahafahako manompo anareo. 9Rehefa niaraka taminareo aho sy nila fanampiana, dia tsy nanavesatra na iza na iza. Fa ireo zavatra nilaiko dia nomen’ireo mpirahalahy izay tonga avy any Makedonia. Tamin’ny zavatra rehetra dia nitandrina ny tenako tsy ho enta-mavesatra aminareo aho, ary hanohy hanao izany.

10Raha ato amiko ny fahamarinan’i Kristy, dia tsy hangina izany fireharehako izany any amin’ny faritr’i Akaia. 11Nahoana? Satria tsy tiako va ianareo? Andriamanitra mahalala.

12Ary ny zavatra ataoko dia mbola ho ataoko foana, mba mety ahafahako manala ny fitarainana nohon’ny fanakianana ahy sy ny fitarainana noho ireo izay tian’izy ireo hireharehana—fa izy ireo dia hita manao asa mitovy amin’izay ataonay. 13Fa ny olona tahaka izany dia apostoly sandoka sy mpiasa mamitaka. Izy ireo dia manao sarintsarin’ny tenany tahaka ny apostolin’i Kristy.

14Ary izany dia tsy mahagaga, fa na ny satana aza maneho ny tenany tahaka ny anjelin’ny fahazavana. 15Tsy mahagaga intsony raha maneho ny tenan’izy ireo tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana ireo mpanompony. Ny anjaran’izy ireo dia izay mendrika ny asan’izy ireo.

16Lazaiko indray hoe: “Aza avela hisy hieritreritra hoe adala aho. Fa raha manao izany ianareo, dia raiso tahaka ny adala aho ka mba hirehareha kely. 17Izay lazaiko momba ity fahatokiana mirehareha ity dia tsy araka ny lazain’ny Tompo, fa miteny toy ny adala aho. 18Fa efa maro ny olona no mirehareha araka ny nofo, dia hirehareha ihany koa aho.

19Nanaiky am-pifaliana ireo adala ianareo. Dia hoe hendry ny tenanareo! 20Fa mandefitra amin’ny olona ianareo raha manandevo anareo, mandany anareo, manararaotra anareo, mandray ny tenany ho ambony noho ianareo, na raha mamely tehamaina anareo izy. 21Ho lazaiko amin’ny fahafaham-barakanay fa malemy loatra izahay tamin’ny fanaovana izany. Raha misy mirehareha— dia miresaka toy ny adala aho—Izaho ihany koa dia hirehareha.

22Hebreo ve izy ireo? Izaho ihany koa. Isiraelita ve izy ireo? Izaho ihany koa. Taranak’i Abrahama ve izy ireo? Izaho ihany koa. 23Mpanompon’i Kristy ve izy ireo? (Miresaka toy ny olona very saina aho.) Mihoatra noho izany aho. Mbola niasa mafy nihoatra noho izany aza aho, tany am-ponja matetika, tamin’ny kapoka mihoatra ny fepetra, tamin’ny fiatrehana loza maro mahafaty.

24Avy amin’ny alalan’ireo Jiosy no nandraisako “kapoka efapolo latsaka iray” Indimy. 25Intelo aho no nokapohina tamin’ny hazo. Indray aho no notoraham-bato. Intelo aho no vaky sambo. Nandany iray alina sy iray andro teny an-dranomasina aho. 26Nandeha matetika aho, tamin’ny lozan’ny ony, tamin’ny lozan’ireo mpandroba, tamin’ny lozan’ny oloko manokana, tamin’ny lozan’ireo Jentilisa, tamin’ny loza tany amin’ny tanàna, tamin’ny loza tany an’efitra, tamin’ny loza tany an-dranomasina, tamin’ny loza avy amin’ireo rahalahy sandoka.

27Efa tamin’ny asa mafy sy zava-tsarotra aho, tamin’ny alina tsy misy torimaso, tamin’ny hanoanana sy hetaheta, tamin’ny fifadin-kanina matetika, tamin’ny hatsiaka sy fitanjahana. 28Ankoatry ny zavatra hafa, misy tsindry isan’andro amiko nohon’ny fanahiako amin’ny fiangonana rehetra. 29Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no manafintohina, ka tsy mirehitra aho?

30Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia hirehareha momba izay maneho ireo fahalemeko. 31Ilay Andriamanitra sy Rain’i Tompo Jesosy, ilay iray izay deraina mandrakizay, dia mahafantatra fa tsy mandainga aho!

32Tany Damaskosy, ny governora ambanin’i Areta mpanjaka dia niambina ny tanànan’i Damaskosy mba hisambotra ahy. Fa nampidinina tamin’ny sobika teo amin’ny varavaran-kely iray teo amin’ny manda aho, ka dia nandositra ny tanany.

33

Copyright information for PltULB